- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : « Cyclo-pousse » nandona sy nandratra olona dia lasa nandositra

Antsirabe : « Cyclo-pousse » nandona sy nandratra olona dia lasa nandositra

Tamin’iny fidinana be eny akaikin’n « Voirie » iny no niseho ny loza, omaly. Nisy “cyclo-pousse” nidina avy any ary ohatran’ny tsy nahatana hisatra ka nifatratra tamina olona iray nitondra moto. Naratra teo amin’ny tongony havia ilay mpitondra moto ary simba ny kodiaran-droa nentiny. Rehefa nifanazava teo anefa ny roa tonta dia nilaza fa tsy diso mihitsy ilay mpitondra posy. Ny naha maika teo, nitondra ilay naratra sy nanatitra ny moto tany amin’ny teorana azo antoka. Rehefa niverina anefa ilay naratra dia tsy teo intsony ilany nitondra “cyclo-pousse” fa lasa nandositra.

Omaly io, nisy olona be dia be nitangorona satria nisy lozam-pifamoivoizana. Nandeha mora avy hatrany ilay mpitaingina moto ary naka sisiny saika hijanona. Avy any anefa ilay “cyclo-pousse” nirimorimo ary tsy tafajanona mihitsy. Raha ny fahitan’ny rehetra azy, tao tsy nisy “frein” ilay izy ary dia nafatrany tany amin’ilay moto. Nitondra olona izy tamin’io fotoana io. Nisy ny fifanazavana ary nilaza fa tsy diso mihitsy ity mpitondra “cyclo-pousse” ity. Ny mahagaga ny rehetra anefa, inona no antony nialany ilay toerana nandonany moto?

Araka ny fantara moa, saika isan’andro no misy lozam-pifamoivoizana ateraky ny “cyclo-pousse” ao Antsirabe. Ireo mpitazana dia samy manontany tena ihany ny amin’ny antony mahatonga izany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici