Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray teto Antsirabe, mpivarotra iray eny Vinaninkarena no lasibatra ka lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 5 hetsy sy 1 tapitrisa ariary.
Ny alin’ny alakamisy 9 jona teo no nisehoan’ny fanafihana, raha ny fantatra dia dimy lahy no tonga tao amina trano fivarotana iray, avy hatrany dia niditra an-keriny tao amin’ity tokantrano ity ireo jiolahy. Ny iray tamin’izy ireo ihany no nitondra basy, raha ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana. Tsy afa-nanoatra ireo voatafika satria basy no nanoloana azy ireo, ankaotra ny faitaovam-piadiana hafa, ka ny azo natao dia nanome izay notakiany. Akoatra ny vola lasan’ireo jiolahy dia mbola noraofiny ihany koa ny sigara maromaro tao amin’io fivarotana io. Niezaka niantso ny mpitandro filaminana nanao P.R teo Vinaninkarena ihany ny olona nahatsikaritra ny fanafihana saingy tsy sahy nandroso ireto farany fa niantso mpitandro filaminana fanampiny hafa. Somary efa tara anefa vao tonga ity farany ka tsy nisy tratra intsony ireo jiolahy na dia efa noezahina narahan-dia ihany aza. Soa aloha fa tsy nanao herisetra ireo jiolahy fa nitsoaka nandositra rehefa nahazo izany nilainy. Tato ho ato dia nirongatra indray ity fanafihana ity teto Antsirabe na dia efa maro aza ireo voasambotra sy voatifitra. Raha tsiahivina dia vao maty voatifitry ny polisy tamin’ny alahady teo i Ledah lehibeana-jiolahy nefa dia izao mipoitra izao indray ny hafa.
Andry N.