- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Dôkera hita faty tao anaty tatatra

Antsirabe : Dôkera hita faty tao anaty tatatra

Dôkera na ireny mpikarama mibata entana ireny no hita faty tao anaty tatatra fandehanan’ny rano, omaly maraina tao Atsimontsena Antsirabe

Lehilahy manodidina ny 25 taona eo ity hita faty ity, vao maraina be dia ankizy sendra nandalo no nahatsikaritra azy voalohany. Niantso olona ity zaza ity avy eo nilaza ny zavatra hitany, vetivety dia nitangorona ny olona nijery ny zavanisy. Tsy vahiny tamin’ny mponina teny an-toerana ity lehilahy hita faty ity, saika mahafantatra azy avokoa ny manodidina. Tsy lavitra ny fonenany rahateo no nahitany ny vatana mangatsiakany. Mpikarama ao Antsena Sabotsy ity lehilahy ity, mpibata entana no asany ary matetika rehefa hariva ny andro araka ny fitantaran’ny mponina teny an-toerana hatrany, dia mamo foana no ahitana azy. Tsy fantatra mazava anefa izay nahazo azy ny harivan’ny  talata lasa teo, fa ny fatiny sisa no hitan’ny olona tao anaty tatatra omaly maraina. Nolazain’ireo nanatri-maso hatrany moa, fa dia mamo lava ity dôkera hita faty ity. Tombanan’ny olona teny noho izany fa mety vokatry ny fisotroana no nahafaty azy. Ny fanadihadiana no hahafantarana ny tena marina, efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana rahateo ny raharaha.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser