- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversANTSIRABE : Dr Unoh  / Nanolotra bitume 5 barila ho an’ny tanan’Antsirabe

ANTSIRABE : Dr Unoh  / Nanolotra bitume 5 barila ho an’ny tanan’Antsirabe

Hafa kely ny noentin’ny ben’ny tanana an’Antsirabe Rasamimanana Honoré Gabriel na  Dr Unoh  nanamarihana ny daty nahaterahany ny Alahady 17 jolay lasa teo fa natolony ho an’ny tanan’Antsirabe ny fanomezana azony tamina olona tsara sitra-po izay tsy hotononina anarana. Bitume miisa 5 barila izy io, « isan’ny fanomezana manana ny lanjany na ara bola na ara kasa ity fanomezana ity satria raha atotaly dia mitetina 10 tapitrisa ariary eo ho eo, maro no azoko ampiasana azy amin’ny fananako hoy izy raha tsy hiteny afa tsy ny CLT eny mandaniresaka izay nanamarihana ity daty nahaterahany ity fa raisiny ho valim-babena ho an’ny tananany ny hanolorany ity fanomezana ity. Maro ny asa fanarenana sy fanamboarana mbola miandry ny tanan’Antsirabe hoy izy, indrindra ny fanamboaran-dalana ka hiompana amin’izay no hampiasana ireo bitume ireo. Nampatsihiviny tamin’ity fotoana ity ihany koa fa hanomboka tsy ho ho ela ny fanamboarana ny lalana Mahazoarivo izay efa vita ny fanaovan-tsoniam-mpiaraha miasa tamin’ny fiadidina ny tanana sy ny orinasa Cementis izay nanolotra simenitra 450 taonina, fivoriana ara teknika avy amin’ity farany sisa andrasana dia miroso ny asa. Ankoatra izay dia nisafidy ny lalao ara piralahiana baolina kitra ny ben’ny tanana nentina nanokafana ny lanonana, lalao izay nifanandrinan’ny mpanao gazetin’ Antsirabe sy ny ekipan’ny kaominina. Nibata ny fandresena tamin’ity lalao ity ny VMA na Vondron’ny Mpanao gazety eto Antsirabe tamin’ny isa 4 noho 2.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici