- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Efa-dahy mpangalatra môtô vosambotry ny polisy

Antsirabe : Efa-dahy mpangalatra môtô vosambotry ny polisy

Mirongatra ny halatra môtô eto Antsirabe sy ny manodidina tato ho ato, môtô roa no fantatra fa nisy nangalatra tamin’ity herinandro ity.  Araka ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny polisy, dia efa tambajotra mihitsy no manao ity halatra môtô ity. Ny alatsinainy lasa teo dia môtô   roa no nisy nangalatra, ny iray tao amin’ny parking-n’ny hoptaly Atsimo, ny iray kosa tao Antsenakely. Novahan’ilay mpangalatra ny hidin’ilay môtô nipetraka teo amin’ny fiantsonana tao amin’ny hopitaly ka izy handeha hanosika azy mihitsy no nisy nahatsikaritra. Ny faharoa kosa teo Antsenakely no nahavery azy. Marihina, fa môtô scooter ity be mpangalatra ity. Efa-dahy  no voasambotra hatreto ka ny iray nomena fahafahana vonjimaika, fa tsy ampy taona. Efa fantatra kosa ny mombamomba  ilay tambajotra mpanao bizina môtô halatra eto Antsirabe ary efa miroso ny fikarohana azy ireo ny mpitandro filaminana amin’izao. Tao anatin’ny iray volana, dia nahatratra 9 ny fitarainana voaray amin’ity  fahaverezana môtô eto Antsirabe ity.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici