- Publicité -
samedi, novembre 8, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Efa-dahy nirongo fiadiana naka an-keriny karàna iray

Antsirabe : Efa-dahy nirongo fiadiana naka an-keriny karàna iray

Karàna iray no nisy naka an-keriny teto Antsirabe ny alin’ny alakamisy lasa teo. Tsy mbola hita io karàna io hatramin’izao ary tsy mbola nahenoana vaovao ihany koa.

Sambany no nisehoana fakana an-keriny teto Antsirabe hatrizay. Tokony ho 30 taona eo ho eo ity nisy naka an-keriny ity. Araka ny fantatra dia ny alin’ny alakamisy tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany no nitrangan’ny fakana an-keriny azy. Araka ny loharanom-baovao hatrany, avy nivavaka tao amin’ny Moske tao Tsarasaotra izy izao nisy nisambotra izao. Teo amin’ny lalana mitsofoka mankany amin’ny “Alliance Française” no niandrasan’ireo mpaka an-keriny azy. Raha ny fantatra dia nody namboatra fiara teo ry zalahy ireo, toerana maizimaizana rahateo io toerana io ka tsy nisy nahatsikaritra loatra ilay fiara ny olona. Ny hany fantatra dia fiara “fourgon” ilay izy. Vantany vao hiditra ny fiara tsy mataho-dalana hitondra azy ilay karàna no avy hatrany dia efa-dahy nirongo fitaovam-piadiana no nanaraka avy ao aoriana. Ny mpiambina no avy hatrany dia nodarohan’ireo jiolahy ireo ka tsy nahetsika intsony, nalainy avy eo  ilay karàna ka nampidiriny tao anatin’ilay “fourgon”, araka ny fanazavana hatrany, ary nizotra nianavaratra ny lalany avy eo.

Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava ny anton’ny fakana an-keriny ity lehilahy ity , tsy mbola nahenoana vaovao rahateo raha toa ka misy ny fitakiana vola ataon’ireo mpaka an-keriny. Marihina mantsy fa isan’ireo mpanefoefo sy manana ny maha izy azy eto Antsirabe ny fianakavian’ity karàna ity. Niteraka resa-be tetsy sy teroa teto Antsirabe ity zava nitranga tamin’ny alakamisy ity, satria tsy mbola nisy an’izany teto. Tsy mbola nandrenesana fanampim-baovao kosa ny teo anivon’ny mpitandro filaminana.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici