Tranga tsy dia fahita firy ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra loatra ny asa fanendahana. Izao anefa dia na ny polisy aza dia manentana ny olona mba ho mailo hatrany mba tsy ho lasibatr’izany. Ny faramparany izay nitranga dia ramatoa izay teny ambony posy no niharan’ny sinto-mahery. Teo amin’ny manodidina ny tsenan’Asabotsy no nitranga izany. Soa fa nisy polisy izay nahita ka nanenjika ny olon-dratsy izay tsy lasa lavitra dia tratra. Rehefa nohamarinina dia mpanendaka efa fanta-daza ao an-toerana ary efa nahazoana fitarainana maro avy amin’ny mpiantsena ilay voasambotra. Ankoatr’ireo dia mbola nisy telo lahy hafa koa izay nosamborina teny Ambavahadimangatsiaka. Ireo indray dia efa nisy voasambotra tany aloha saingy rehefa tsy tonga ny mpitory dia navotsotra fotsiny. Toa vao mainka nanamafy azy ireo izany tamin’ny fanatontosàna asaratsy ary indrindra koa lasa nikambana tamin’ny mpanendaka hafa indray. Taha mbola nitohitohy kely izany dia mety ho ekipa matanjaka amin’ny fanafihana mitam-piadiana indray, efa maro rahateo ny niafara toa izany. Soa fa tratra.
D.R