Loza mahatsiravina no nitranga tao Mahalavolona, Antsirabe ny alakamisy teo. Mpiray tampo efatra mianadahy no indray namoy ny ainy, rehefa nilatsaham-potaka tao an-tranony.
Niraondraona aok’izany ny kotroka ary nitselatselatra izay tsy izy ny andro. Oram-baratra tsy misy toa izany no mivonona hamely an’Antsirabe io harivan’alakamisy io, raha ny vaovao azo tany an-toerana. Fanaon’ny olona any an-toerana, indrindra fa ireo any ambanivohitra, toa ny nisy an’ity tanàna ity ny nanidy trano aloha be. Amin’iny fito ora sy sasany hariva izany, efa any an-tokantranony tsirairay avy any ny olona, ny sasany aza efa eny am-pandriana.Tamin’io fotoana io, efa samy namonjy ny fandriany avy tokoa ny tao amin’ity fianakaviana niharan-doza ity. Niray fandriana izy efatra mianadahy kely ireto tany amina efatra iray tao an-tranon’izy ireo. Nirefotra in-dray mandeha ny varatra. Raha ny fitantaran’ireo tany an-toerana, niditra teo am-baravaran-kely, teo amin’ny zoro trano avaratra ilay afo mandoza, ary nitety mihitsy ny trano. Tamin’ny efitra nisy azy efatra mianadahy izany no nipoaka. Nikoropaka ny tao an-trano rehetra, saingy tsy nisy azo natao intsony. May ary maty tsy tra-drano tao ny ankizilahikely telo sy vavikely iray. Tsy nisy naninona kosa ny zandrin’izy ireo farany sy ireo ray aman-dreniny, izay samy tao amin’ity trano ity raha ny vaovao azo hatrany. 13 taona no zokiny indrindra tamin’ireto ankizy namoy ny ainy, nilatsaham-potaka ireto ary telo taona kosa ny zandriny. Fantatra fa malaza masiaka varatra ny amin’ity toerana misy azy ireo ity. Tsy nampoizina tokoa ny zava-nitranga.Hany ka, efa nandeha ny feo fa mety « ho nataon’olona » izao loza nihatra tamin’ireto fianakaviana izao. Taorian’ny fizahana nataon’ireo tompon’andraikitra dia efa natolotra ny fianakaviana ny razana.
D.R / Andry N.