- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Enin-dahy mpamaky trano sy mpanolana saron’ny polisy

Antsirabe : Enin-dahy mpamaky trano sy mpanolana saron’ny polisy

Nidoboka am-ponja avy hatrany, miandry ny fitsarana azy ireo jiolahy enin-dahy saron’ny mpitandro filaminana teto Antsirabe. Tsikaritra fa nirongatra ny vaky trano teto Antsirabe sy ny manodidina fotoana elaela lasa izay. Saika nandrenesana fitarainana avokoa ny fokotany sasantsasany eto antapo-tanana, eny fa hatrany amin’ireo kaominina manodidina. Misy hatrany anefa ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana na andro na alina. Nandritra ny fisafoana fanao amin’ny alina no nahatsikaritra lehilahy hafahafa fihetsika toa mahamahana izany ny mpitandro filaminana ny faran’ny herinandro lasa teo. Rehefa nantonona akaiky ity lehilahy ity dia nikasa handositra araky ny fanazavana. Nosamborina avy hatrany  ilay io ka nentina tany amin’ny kaomisaria natao fanadihadiana. Tamin’izany no nahafantara fa tena jiolahy tokoa ity voasambotra ity satria tsy afa bela tamin’ny fanadihadian’ny polisy izy ka namboraka ny asa ratsiny. Niaky izany rahateo izy raha ny fanazavana voaray. Tsy nijanona teo ny ankety fa nitohy ka nanoro ny namany hafa izy ka nahatratra enina no vosambotra hatreto. Ankoatra izay, dia mbola misy namany karohina amin’izao fotoana izao. Ny resaka vaky trano no tena manavanana azy enin-dahy ireo raha ny fanazavana. Tsy vitan’izany anefa fa mbola miharo fanolanana koa ny fandrombana ataony ka maro ny tovovavy na vehivavy no voaolan’izy ireo. Araky ny fantatra dia efa tambajotra mihitsy ireo mpandromba mpamaky trano ary misy mpianaka mihitsy aza amin’izy enin-dahy voasambotra ireo.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici