- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Enin-dahy nanafika fivarotana, roa voasambotra

Antsirabe : Enin-dahy nanafika fivarotana, roa voasambotra

Tokantrano iray tao Ambalavato indray no lasibatry ny jiolahy, ny talata lasa teo. Tapitra noraofin’ireo jiolahy avokoa rehefa entana sarobidy, niampy ny entam-barotra tao am-pivarotana. Sady trano fonenana no fivarotana ity nisy nanafika ity. Ny Talata tokony ho tamin’ny 12 ora alina no nanao amboletra niditra ny trano ny jiolahy enina rehefa avy nanapitsoka ny varavarana fidirana. Nanambana tamin’ny sabatra sy antsy ary zava-maranitra ireo ry zalahy, nentina nandemena saina ny tao an-trano. Avy hatrany dia ny vola aloha no notakian’ireo jiolahy, fantatra fa 200 000 ariary maty tao am-pivarotana no lasan’ireo jiolahy. Ankoatra izay dia nobatain’ireo jiolahy avokoa rehefa azo nobataina. Tsy nihonona tamin’izany ireo mpanafika, fa mbola nobatainy ihany koa ny entana sarobidy rehetra. Ny Alarobia maraina  ihany dia niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Olona iray no nahiahiana ho nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana . Taorian’ny fanadihadiana, dia niroso tamin’ny fisavana ny tranony indray  ny mpitandro filaminana. Tsy afa-bela ranamana fa mbola tratra tao aminy ny ampahan’entana vao avy nangalarina. Nanoro ny namany iray avy hatrany izy ary nosamborina koa ity farany. Mitohy ny fanadihadiana, satria mbola misy efa-dahy izany no karohana fatratra amin’izao.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici