Olona enina mianadahy indray no saron’ny zandary teto Antsirabe noho ny fangalarana taolam-paty. Dimy lahy ary vavy iray, ireo no voarohirohy tamin’ity halatra taolam-paty ity, tratra niaraka tamin’izy ireo ny sakaosy iray izay mbola feno taolana.
Tapa-bolana lasa izay no nahafantaran’ny zandary fa misy olona mihaodihaody eto Antsirabe mitady mpividy taolam-paty. Nandeha teny ny famotorana sy ny fanadihadiana lalina ka fantatra ihany ny toerana nisy azy ireo. Natao ny farahan-dia ka indreo fa tratra tao anaty alan’ Andraikiba tokoa, olona enina mianadahy miaraka amina sakaosy iray feno taolam-paty. Raha ny fanazavan’ny teo anivon’ny zandary hatrany, avy any Ankazomiriotra, distrikan’i Mandoto no nangalana ireo taolana ireo. Ny roa tamin’ireo voasambotra mantsy avy ao fa ny efatra kosa avy eto Antsirabe.
Ny 9 Janoary lasa teo no nanaovana ny fisamborana. Raha ny fanazavana, razana tsy latsaky ny folo eo no nangalana ireto taolam-balo ireto. Marihina fa toy ny tranga efa mateti-piseho dia ny taolan-dava ihany no alain’ireo jiolahim-pasana sy mpibizina. Tsy mbola nisy aloha hatreto vaovao nanamarina ny mety hanaovana sy hilaina ireny taolana ireny. Tsy mbola tratra rahateo ny mpandray azy fa ireo mpikarama an’ady hatrany no voasambotra. Natolotra ny fitsarana izy enina mianadahy ireto, taoarian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary.
Andry N.