Saika niandry ora farany avokoa ny ankamaroan’ireo kandida hilatsaka hofidiana ben’ny tanana eto Antsirabe voalohany vao nandrotsaka ny taratasy filatsahan-kofidiany. Enina mirahalahy hatreto no voamarina fa efa nahavita izany ka ny telo amin’izy ireo dia tsy zoviana amin’ny mponin’Antsirabe intsony. Kandida roa no atolotry ny antoko politika, antoko isan’ny matanjaka indrindra amin’izao dia ny TIM sy IRD. Ireo no heverin’ny maro eto Antsirabe fa tena hifaninana amin’ity fifidianana izay hitantana ny tananan’Antsirabe ambonivohitra ity . Natolotry ny antoko TIM i Guy Rivo Randrianarisoa, nambarany fa olona mijoro, mitana ny teny nomeny ary miasa ho an’ny vahoaka no andrasan’ny mponina eto Antsirabe. Mahatsapa ny tenany miaraka amin’ny antoko TIM fa mahavaha izany fitakiana izany ka izany no nanosika azy hirotsaka eto Antsirabe. Zanak’Antsirabe rahateo izy raha ny nambarany. Vaindohan-draharaha ho azy ny hamerina ny tanana madio milamina sy manana ny maha izy azy ary ny fitantanana madio sy mangarahara.
Rasamimanana Honoré, na dokotera Nono, fantatry ny maro amin’ny asa iandraketany Unoh kosa no kandida natolotry ny IRD, na isika rehetra miaraka amin’ny Andry Rajoelina. Efa ela aho no niomana, hoy izy, ary nametrahan’ny filoha fitokisana hirotsaka ben’ny tanana rahateo. Ilana fanarenana ny tanana, hoy izy, eo amin’ny lafiny maro, na ara-pahazavana na fandriam-pahelamana , ary fahadiovana sy filaminana, fa izany no antoky ny fampandrosoana. Heveriny ho tombony ho azy kosa ny nahalehibe azy teto Antsirabe hatramin’ny fahazazany ka hatramin’izao, ny zava-bitany hita maso hatrizay.
Kandida tsy miankina ary nirotsaka amin’ny anarany kosa Atoa Mandrindra Andrianjanaka, efa filohan’ny faritra izy ary nitantana ny tranoben’ny varotra sy ny Indostria teto Vakinankaratra an-taonany maro. Antony nanosika azy hilatsaka kosa ny fahitany ny zava-mampalahelo iainan’ny mponina eto Antsirabe amin’izao. Tsy haka ny sezan’ny ben’ny tanana no maha maika ahy, hoy izy, fa ahoana no hanavotana ny olona miaina anaty fahantrana amin’izao fotoana izao sy hanarenana ny fahapotehanan’ny tanana. Fa nitovy hevitra avokoa ireo kandida eto Antsirabe amin’ny filazana fa mila fanarenena ny tanana. Midika izany fa potika tanteraka ny tanan’Antsirabe, hiaraha-mahita rahateo ny faharatsian’ny fotodrafitrasa eto raha tsy hilaza afa tsy ny lalana izay potika eo amin’ny 90%, ary indrindra ny fitantanana madio sy mangarahara ny kaominina.
Andry N.