Fiara-miasan’ny orange solidaire Madagascar sy ny faritra vakinankaratra amin’ny alalan’ny I-votika no nafahana nampiofana mpianatra mahakasika ny “developpement numerique”. Mpianatra 66 mianadahy no nahavita fiofanana mahakasika ny fablab sy super-codeur, 23 mianadahy tamin’ireo no avy amin’ny oniversiten’ny Vakinankaratra nanaraka fampiofanana mahakasika ny fampiasana fitaovana ara-teknolijia toy ny imprimente 3D, découpe laser. Ny 43 mianadahy kosa avy amin’n Association Enfants du soleil sy ny Collège Avotsoa niofana momban’ny “super-codeur”. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ity andiany ity ny herinandro lasa teo, nisy ny fampiratiana ampahibemaso ny vokatra novokarin’ireo anakizy, isan’izany ny famokarana ny aquaponie, fomba fampiarahana ny fiompiana trondro sy fambolena legiomina amin’ny alalan’ny fampiasana haitay arakajy mirindra.
Fantatra fa ankizy miisa 100 isa isan-taona no hisitrika fampiofanana avy amin’ny orange solidaire madagascar sy ny I-votika.
Andry N