Naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany ny olona miisa 9 raha toa ka 10 mianadahy no voarohirohy niray tsikombakomba tamina halatra lamba tao amina orinasa afakaba iray teto Antsirabe.
Raha ny fanazavana dia efa ela no nahatsikaritra ny tompon’andraikitra iray ao amin’ity “zone” ity fa misy fahabangana be ny lamba ary tsikariny fa misy mamoaka an-tsokosoko. Ny faran’ny herinandro teo no nanatona tao amin’ny polisy ity farany nitondra ny fitarainany. Niditra avy hatrany tamin’ny famotorana ny polisy ka mpiasa telo no nalaina nanaovana fanadihadihana. Nisy anarana maromaro nivoaka tamin’io izay tsy mpiasa ao amin’ity orinasa ity akory fa olona hafa tanteraka, ary mpanjaitra no iray isan’ny tafiditra amin’izany. Efa maty paika tanteraka ny fizotran’ny halatra, satria misy ny mamoaka ny lamba ao amin’ny orinasa, hafa ny mpandray ary voarohirohy hatramin’ilay mpanjaitra koa. Taoarian’ny fitsarana dia naiditra am-ponja vonjimaika ny sivy tamin’ireo voarohirohy, ka nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay mpanjaitra. Tsetsatsetsa tsy aritra kosa no ilazana fa maro ireo tanora no tsy an’asa, tsikatrika mantsy fa hatramin’ny nisokafana orinasa afakaba iray teto Antsirabe dia manomboka amin’ny telo ora maraina dia efa mitandahatra ireo tanora an-jatony maro milahatra mitady asa. Ny sasany tafiditra manao ny ataony, ny sasany manita-kevitra misoloky milaza fa afaka mampiditra mpiasa ka manangona vola etsy sy eroa amin’ireo tanora. Soa aloha fa efa voasambotra ity farany ary efa naiditra am-ponja vonjimaika koa miandry ny fitsarana azy.
Andry N.