- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe - Famarotana olona : 40 tapitrisa ny olona iray, olona roa no...

Antsirabe – Famarotana olona : 40 tapitrisa ny olona iray, olona roa no efa voasambotra

Tsy vao sambany akory no nisy ity resaka famarotana olona ity eto Vakinankaratra fa efa nisy tranga toy izao tany ankazomiriotra vao tsy ela akory izay.

Olona roa, mianadahy no voasambotry ny zandary  teto Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo noho resaka famarotana olona. Efa ela no nandrenesan’ny teo anivon’ny zandary ny  fisian’ity famarotana olona ity eto Antsirabe ary efa ela  ihany koa no nanao ny  velam-pandrina ny mpitandro filaminana. Nahitam-bokany ny velam-pandrika satria sarona ny olona roa saika hivarotra olona. Raha ny fanazana nomen’ny teo anivon’ny zandary hatrany dia olona 7 mianaka no saika hamidy haondrana any Toamasina. Fantatra fa hamidy hatramin’ny 40 tapitrisa ny olona iray. Ireny fianakaviana sahirana ara-pivelomana ireny no tena lasibatra satria ambaran’ireo olon-dratsy fa misy asa  atao amina Hotely any Toamasina ka 120 000ariary no karama. Roboka ny ireo sahirana ara-pivelomana mitady asa maheno ny karama kinanjo efa zavatra hafa no ao ambadika.

Raha ny fanazavana hatrany dia efa nisy fianakaviana iray mihitsy no saika lafo tany Toamasina.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici