- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fametrahana ny lehiben’ny polisy any Vakinankaratra

Antsirabe : Fametrahana ny lehiben’ny polisy any Vakinankaratra

Ny marainan’ny sabotsy 15 martsa 2014 teo no napetraka tamin’ny fomba ofisialy teo amin’ny toerany tany Antsirabe ny « chef de la brigade Régionale de la Police Nationale” any amin’ny Faritra Vakinankaratra, ny “commissaire de police” Talily Damy. Ny Talem-paritry ny Polisy eto amin’ny Faritany Antananarivo, ny Contrôleur Général de Police Rakotondrainivonona Panoël Macaire no tonga tany an-toerana nitarika ny lanonana, izay nanome baiko ireo polisy rehetra miasa ao amin’ny Faritr’i Vakinakaratra mba hankato sy hanaraka ny baikon’ity lehibe vaovao ity eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Ny lehiben’ny Borigadim-paritry ny Polisim-pirenena any amin’ny Faritr’i  Vakinakaratra vao napetraka tamin’ny toerany kosa dia nanambara  fa ilaina ny fahamendrehana eo amin’ny fanatanterahana ny asa mba hitokisan’ny vahoaka ny Polisy.

Nanotrona izao lanonana izao ny lehiben’ny fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo, ny Colonel Rakotomahanina Florens, sy ireo manam-pahefana maro avy aty Antananarivo sy ny tany an-toerana.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser