Mitohy ny tolona hataon’ireo mpampianatra, mpanabe eto Antsirabe mahakasika ny fitakian’izy ireo. Tsy mbola nisokatra ny sekoly ny andron’ny Alatsinainy lasa teo, maro ireo mpianatra no niverina fotsiny.
Ho setrin’ny fanambarana nataon’ny minisitry ny fanabezam-pirenena , mahakasika ny hiverin’ny mpianatra any an-tsekoly, dia nanamafy ny mpisehetra amin’ny fampianarana eto Antsirabe fa tsy mbola misokatra ny sekoly satria tsy mbola hita soritra mazava ny valin’ny fitakiana nataon’izy ireo. Fanambarana am-bava fotsiny ihany no nisy hoy ny mpitondra fitenenana fa tsy nisy fifanarahana vita Sonia ka raha tsy vita io fifanaraha vita sonia io dia tsy hijanona ny tolona.
Nohamafisin’ireo mpisehetra ao amin’ny fanabezana eto Antsirabe ireto moa ny fandraisana mpampianatra sy mpandraharaha nivoaka tao amin’ny ENS sy ny ireo nahavita fiofanana tao amin’ny CRINFP. Mitovy tsy misy valaka amin’ny fitakian’ireo mpisehetra amin’ny fanabezana manerana ny Nosy ny fitakiana izay efa notaterina teto, tsy misy fiovana fa iray ny tolona iray ny fitakiana eto amin’ny sehatry ny fanabezana.
Miantso ny ray aman-drenin’ny mpianaratra ny mpanabe eto Antsirabe hanampy azy ireo hanao fitakiana sy hiara hitolona mba hanafainganana ny fidiran’ny mpianatra an-tsekoly. Marihina mantsy fa isan’ny lasibatra tamin’ny fampanantenana poakaty nataon’ny mpitondra teo aloha ny ray aman-drenin’ny mpianatra mahakasika ilay zero ariary tamin’ny fampidirana ny mpianatra.
Ankoatra izay, ny tsy tokony hanafangaroana ny lafim-pampianarana amin’ny loko politika, indrindra ny amin’ny fanendrena tompon’andraikitra isa-tsokajiny ety ifotony.
Andry N.



