- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fanafihan-dahalo, mpiambina iray maty telo naratra mafy

Antsirabe : Fanafihan-dahalo, mpiambina iray maty telo naratra mafy

Nitrangana fanafihana mahery vaika tao atsimon’Ivohitra, dahalo tsy latsaky ny 20 lahy mitam-piadiana no nanao ny fanafihana. Mpiambina iray no fantatra fa maty ary telo lahy naratra mafy.

Ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo  tokony ho tamin’ny 8 ora alina no nitranga ny fanafihana voalohany. Voalaza fa dimy lahy aloha no nanafika toeram-pivarotana zava-pisotro misy alikaola tao atsomokelin’Ivohitra tao. Tsy nisy azo nangalarina laotra tao amin’ity fivarotana raha ny angom-baovao fa lehilahy iray sendran’ireo olon-dratsy no lasibatra tsy nahy. Voalaza fa nitondra vola tamin’ny sakozy ity lehilahy ity no sendra tampoka ireo olon-dratsy. Tsy nisy alaharo fa novelesin’ireo jiolahy tamin’ny zava-maranitra ny lohany ary nalainy mora ilay sakozy nisy vola 1 tapitrisa ariary. Nandre izany ny polisy UIR manao fisafoana amin’iny toerana iny ka raikitra avy hatrany ny fifanenjehana. Nony tonga teny akaikin’ny tsenan’omby anefa, indreo efa dahalo am-polony maro mitondra basy mahery vaika  no niandry ny polisy. Dahalo  efa vonona handroaka ny omby tao an-tsena, omby tsy latsaky ny zato teo ho eo. Nandritra izany efa niantso polisy hafa ny UIR hanampy azy ireo noho ny fahitana ireto andiana dahalo maro be ireto. Na izany aza, raikitra ihany ny fifandonana. Voatery nitady lalana hafa ny telo lahy niambina ny omby tao an-tsena. Latsaka tao an-dava-drano anefa izy telo lahy ireo k any iray no fantatra fa maty tao raha avotra kosa ny roa.

Nitohy ny fanarahan-dia nataon’ny polisy ary tsy nitsahatra ny fifampitifirana. Tsy nahatohatra ny polisy ireo dahalo na dia maro an’isa aza ka vaky nandositra avokoa rehefa avy nihatsy ny mpitandro filaminana.

Tafaverina avokoa ny omby rehetra. Araky ny feo mandeha dia tsy latsaky ny efatra ireo dahalo no nobatain’ny namany nandositra fa naratra mafy voatifitra.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici