- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fanafihana nahafaty raim-pianakaviana, jiolahy telo voasambotra

Antsirabe : Fanafihana nahafaty raim-pianakaviana, jiolahy telo voasambotra

Telo lahy no vosambotra hatreo tamin’ilay fanafihana mitam-piadiana nahafatesana raim-pianakaviana iray tao Ambohimena atsimo fokontany Verezambola. Raha tsiahivina, ny alin’ny 24 Desambra 2021 no nitrangana fanafihana tao amin’ny fianakaviana iray manao Epi-bar tao Verezambola. Tokony ho tamin’ny 1 ora maraina ireo jiolahy no tonga nanafika ity fianakaviana mpivarotra ity. Nitondra basy calibre 12 vita gasy ny iray tamin’ireo jiolahy, izay nitifitra avy hatrany ka nahafaty itsy voalaza etsy ambony. Vola 100 000 ariary monja  niampy entam-barotra maromaro no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Tsy niandry ela ny fanadihadiana sy ny fikarohana  ka nahatratraran’ny polisy telo lahy tamin’ireo voatafika. Niaky ny heloka vitany ny roa tamin’ireo jiolahy, mbola sarona tao amin’ny trano fonenany rahateo ny “cartouche” calibre 12 sy bala avy nipoaka. Fantatra fa efa mpameri-keloka ny iray tamin’ireo jiolahy ary vao avy namita sazy teny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy.  Mitohy ny fikarohana ireo namany izay mbola mirenireny any amin’izao fotoana. Natolotra ny fampanoavana kosa izy telo lahy ny faha 30 desambra lasa teo ary nahiditra amponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy.

Andry N. 

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici