- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fanafihana ny tobin’ny masera, voasambotra ny efa-dahy

Antsirabe : Fanafihana ny tobin’ny masera, voasambotra ny efa-dahy

Voasambotry ny polisy ny jiolahy efa-dahy isan’ny tompon’antoka tamina fanafihana ny tobin’ny mesera teny Ambano. Nidoboka am-ponja izy efa dahy ireo taorian’ny fitsarana azy  ny alarobia lasa teo. Tsy ilay fanafihana ny masera akory no nahavoasambotra ireo jiolahy ireo fa fanafihana fikambanana iray tao Vatofotsy. Nisy nanafikia ny foibem-pikambanan antsoina hoe Sodifanana ka very tamin’izany ny solosaina sy entana maromaro niampy vola. Tsy nisy nisaron-tava ireo jiolahy tamin’ny fanafihana ka tsaroan’ny lasibatra ny endrik’izy ireo, hoy ny fanazavana. Tazan’ny olona iray mpiasan’ny fikambanana ny roa lahy tamin’ireo mpanafika tao amin’ny toeram-pisotroana iray teto Antsirabe. Raha ny fantatra aza moa dia nikasa hamarotra solosaina tao mihitsy izy roa lahy ireo. Nampandre ny polisy avy hatrany ny lasibatra ka niroso tamin’ny fisamborana teo no ho eo. Nolavin’izy roa lahy ny fiampangana azy, saingy nisy namany hafa nikasa hiala ilana handositra ka nanitsoka ireo namany. Tra-tehaka anefa ny paikadiny ka noraisim-potsiny ity farany. Nandritra ny fitazomana azy ireo no nisy nandre ny resaka nifanaovany fa tsy hilaza ilay fanafihana ny tobin’ny masera izy ireo. Nantsoina ireo masera hanamarina raha toa ireo ilay jiolahy nanafika azy. Nambaran’ny masera fa tena ireo mihitsy ilay jiolahy ary olom-patany avokoa izy ireo. Mpiangavy ny masera mantsy ireo jiolahy ireo hitondra azy amin’ny fiara rehefa sendra azy hizotra ho any Avaratr’ Ambano. Noraisim-potsiny ny iray hafa rehefa fantatra ny mombamomba azy taorian’ny famotoroana ireo namany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici