Efatra no voasambotra hatreto mahakasika ilay fanafihana tranombarotra finday tao Antsenakely; izay nahafatesana raim-pianakaviana iray antsoina hoe Dina, voatsindrona antsy teo amin’ny tendany.
Raha tsiahivina fohy, ny 9 Septambra lasa teo, nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amina botikan’ny mpivarotra finday teo Antsenakely tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro. Efa- dahy tsy misaron-tava no nanao ny fanafihana, maty notsindronin’ireo jiolahy antsy ny mpivarotra, noraofiny ny finday lafo vidy niaraka tamina vola 8 tapitrisa ariary.
Folo andro taty aoriana, izany hoe ny 19 Septambra lasa teo no nahitam-bokany ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Fantatra, fa avy ao Mahaiza distrikan’i Betafo no fiavian’ireo jiolahy, nidina tany ifotony nanao ny fisamborana ny polisy, ka sarona tamin’izany ny roa lahy nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana, ary ny iray tamin’izy ireo no nanatsatoka antsy ilay mpivarotra. Mbola tratra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny finday raitra miisa 10. Ankoatra ireo roa lahy ireo, dia nisy roa hafa koa voasaringotra noho ny firaisana tsikombakomba. Mbola mitohy ny fikarohana, satria mbola mivezivezy any ny tena atidoha nikotrika tamin’ny fanafihana lehilahy iray antsoina hoe Tonny ary miaraka amina basy izy io sy zazalahy kely iray tsy ampy taona atsoina hoe Ginoh.
Araky ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny polisy, dia “shop” iray tao Betafo no saika hotafihan’ireo jiolahy ireo, saingy nihidy io Shop io ka nahatonga azy ireo nanafika teto Antsirabe. Natolotra ny fampanoavana omaly izy efatra voasambotra.
Andry N.