- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fanapariahana informatika eny ifotony

Antsirabe : Fanapariahana informatika eny ifotony

Ny taona 2007 no niorina ny fikambanana LIANA. Hanampy ny mponina malagasy indrindra fa ny tanora, ny  tsy an’asa manana olana amin’ny lafiny informatika sy fampiasana teknilojia vaovao eny ifotony no tanjon’ny fikambanana. Teny filamatra rahateo ny hanala ny mponina mitoka-monina amin’ny tsy fahaizana informatika eto Madagasikara. Miompana amin’ny fanofanana tanora sy ankizy manomboka hatreo amin’ny 5 taona ny fikambanana. Izany dia miankina amin’ny filana sy fangatahan’ny mpikambana.Taorian’Antananarivo, Morondava sy Mahajanga, ivon-toerana roa eto Antsirabe no nahazo alalana avy amin’ny delegasiona sy ny birao nasionaly. Ny ray aman-dreny mpiahy ny ivon-toerana no hiandraikitra ny fanofanana ireo ankizy sy tanora. Ivon-toerana fito noho izany no hapetraka atao filamatra hanombohana ny tetikasa ka ezahina ho tonga 15 izany amin’ity taona ity, vinavinaina ho 50 kosa izany amin’ny taona 2020 hoy Andry Iarivola Rakotomalala mpanorina ny fikambanana. Araka ny fanazavany hatrany dia hametrahana ny antsoina hoe CYF na “Cyber Formation” ireo ivon-toerana ireo ka afaka hanaraka fampiofananana ampitain-davitra izay liana rehefa mahafehy tsara ny solosaina. Isan’ny manohana ny fikambanana ny “pôle emplois” izay efa nanofana tanora manodidina ny 600 teny amin’ny tontolo ambanivohitra. Izany no tanteraka dia noho ny tetikasa EPI na “Ecole de Pilotage Informatique”, tetikasa sahanin’ny skotisma. Ankaotra izay dia mamatsy ara-pitaovana ny fikambanana ny “pôle emplois”  ka fantatra fa solosaina an-jatony maro no efa andrasana ho tonga ato ho ato.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici