- Publicité -
vendredi, août 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fanapoizinana sakafo : zazavavy kely roa maty, iray hafa mbola...

Antsirabe : Fanapoizinana sakafo : zazavavy kely roa maty, iray hafa mbola miady amin’ny fahafatesana

Zava- doza indray no nitranga tao amin’ny kaominina Ambano, zaza roa mantsy  no maty ary iray hafa mbola miady amin’ny fahafatesana, vokatry ny fanapoizinana tsakafo. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro filaminana  amin’izao fotoanaizao  noho ity tranga iray nampalahelo niseho tao amin’ny fokontany Manampisoa kaominina Ambano ity. Maro mantsy ny resaka mandeha fa nomen-dreniny poizina no nahafaty ireo zaza ireo, tsy mampitombina ny sain’ny mpanara- baovavao rahateo ny nahafantarana fa, efa nosamborin’ny mpitandro filaminana ilay ramatoa hanaovana fanadihadiana. Ny Alatsinainy 20 febroary lasa teo no nisehoan’ity tranga mampivarahontsana ity. Araka ny angom-baovao, dia fantatra fa mijaly am-panambadiana ilay ramatoa ary matetika no anaovan-drangahy toetra tsy zaka. Io Alatsinainy io, nifamaly izy mivady ary nilaza ilay rangahy fa hisaraka tanteraka . Asa aloha na fifanandrifin-javatra no niseho, fa araka ny fantatra dia nilaza ilay ramatoa fa tsy maintsy ho faty izy efa-mianaka kely raha izany no miseho. Inona tokoa fa taorian’ny nanomezany mangahazo sy kafé ny zanany ny Alatsinainy hariva  lasa teo dia maty teo noho eo ihany ny zanany roa vavy, dia ny vavimatoa tokony ho 12 taona eo ho eo, sy ny faravavy manodidina  ny 2 taona. Ilay vavievo kosa no mbola miady amin’ny fahafatesana hatramin’izao ora anoratana izao. Nambaran’ny dokotera mpitsabo fa tsy dia azo antoka loatra hatreto ny fahasalamany. Misafotofoto noho izany vaovao, satria ao ny milaza fa ny reniny no nanome poizina azy noho ny famoizam-po, ao koa  ny miteny fa  mety fanapoizinana tamin’ilay mangahazo no nitarika ny fahafatesana. Ny fanadihadiana no hahalalana ny tena marina, efa eo am-pelatanan’ny polisy rahateo ny raharaha. Voalaza fa hatramin’izao, dia tsy mbola hita kosa izay nanjavonan’ilay rangahy rain’ireo zaza ireo.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici