- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fandravana trano raikitra ny sakoroka, nanidy tsena ny karana

Antsirabe : Fandravana trano raikitra ny sakoroka, nanidy tsena ny karana

Nahatsiaro tena ho voafitaka ireo lasibatra tamin`ity fandravana trano andiany faharoa ity. Raha tsiahivina dia vao roa volana monja no nisy fandravana tahaka izao teo amin`ity toerana ity ihany. Tsy mbola niala teo ireo fianakaviana maromaro ireo hatrizay fa nanangana trano labasy hisitrihina, ny sasany kosa nanao tafo lanitra. Ny talata maraina teo nisy vadintany tonga teny an-toerana nilaza fa handrefy tany sy hiaro ireo fokonolona nanajary ny tany. Akory anefa ny hatairany ny Alarobia vao mangiran-dratsy fa andiana zatovo mpandrava trano no niaraka tamin’ny vadintany avy ao Antananarivo narahan`ny mpitandro filaminana hanatanteraka didy. Fantatra fa tsy nisy nety nandray ity raharaha ity intsony ireo vadintany teto Antsirabe. Tsy nisy alaharo fa avy hatrany dia fandrodanana no niseho, trano ampolony no naravana, rava tao anaty fotoana fohy ny fananana najariana an-taonany maro. Ramatoa be iray no torana nahita ny nadravana ny tranony. Tsy nisy ny fifampiraharahana fa avy hatrany dia didin`ny be sandry no niseho na niezaka nanazava aza ireo rava fanana fa mbola mandeha any amin`ny fitsarana io raharaha io. Niakatra ny mari-pana ka niafara tamin`ny fifampikitian-tanana, tovolahy ilay avy ao Ambalamaditra no naratra vokatr`izany. Tezitra ireo vahoaka nahita ka raikitra ny tora-bato saingy voafehin`ny mpitandro filaminana aloha teo. Nanao filaharam-be ny vahoaka nihazo tao Antsenakely misy ny trano fonenan`ilay karana fanta-daza eto Antsirabe izay fototr`izao disadisa izao. Nisiotsioka eraky ny lalana ny vahoaka no niantsoantso hoe avohy ilay teratany karana mpandrava trano, tsy vitan`izay fa raikitra koa ny tora-bato ka nahavaky fitaratry ny tranon`ity farany. Ankaotra izay efa nandoro kodiarana ny sasany, soa ihany fa voafehy mialoha ny vahoaka raha tsy izany niafara tamina OPK ity raharaha ity, nalaza ratsy amin`izany rahateo ny vahoakan`Antsirabe taona maro lasa izay. Tapitra nanidy ny tranom-barony avokoa ireo teratany karana eto Antsirabe ny Alarobia teo, efa nilamindamina ny hariva vao nisy nahasahy nanokatra ny tsenany. Tsy tokony ho tonga tamin`ireny sakoroka ireny ny raharaha araky ny fanehoan-kevitry ny olona fa tokony hisy fifampiresahana tamin`ireo olona nanajary ny tany 52 taona ireo, tsy ampahafirin`ny tanin`ity mpandraharaha ity mantsy raha io ampahan-tany kely ao Ambalamaditra io hoy hatrany ny fanazavana.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici