Ny zoma 7 Martsa no efa nanomboka tamin’ny fanamarihana ny adro maneran-tany ho fanajana ny zon’ny vehivavy ny teto Antsirabe, nisy ny diabe nataon’ireo andiana vehivavy avy amina fikambanana maro, orinasa samihafa sy mpiasam-panjakana, mpianatra namakivaky ny tanana, narahina fizaham-pahasalamna, fitiliana maimaim-poana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy nono izany.
Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fihofanana mahakasika ny zon’ny vehivavy, ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Nofaranana tamin’ny vavaka iraisam-pinona ny hetsika ny datin’ny 7 Martsa 2025 io tao amin’ny FLM Antampotanana Antsirabe.
Nitohy ny hetsika ny datin’ny 8 Martsa 2025, diabe hatrany no nanombohana ny hetsika notarihan’ny Rtoa Rafanjarinivo Prisca Marius filohan’ny fikambanan’ny vehivavy 8 Martsa eto Vakinankaratra. Ny tolakandro kosa ny hetsika ara tsosialy, namangiana ireo vehivavy voafonja ka tamin’izany no nanolorana azy ireo lamba firakotra, sy lamba fitafy, vary sy menaka ary fitaovana ho an’ireo vehivavy mitondra vohoka hiatrika fiterahana.
Andry N.