- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fasana novakiana nangalarana tantely

Antsirabe : Fasana novakiana nangalarana tantely

Hafa kely indray ity tranga niseho teto Antsirabe ity tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Raha noheverina ho halatra taolam-paty no niseho tamina fasana iray tao Mahazoarivo  dia tsy izay akory no nitranga fa zavatra hafa mihitsy.

Nisokatra nidanadana ny varavaram-pasana iray, ankizy sendra nilalao teo amin’io toerana io no nahatsikaritra izany ka nilaza izany tamin’ny fokonolona. Ny talata lasa teo mbola nivoha nidanadan ihany io fasana io ary tonga teny ny fokontany nijery ny zava nitranga sy nanao ny fanadihadiana. Tsy fantatra ny tompom-pasana ka tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra noraisina. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa tsy nisy nipika ny taolam-paty tao amin’ity fasana ity na iray aza. Nambaran’ireo nanatri-maso fa feno tantely ao amin’ity fasana ity ka izay no nalain’ireo mpamaky fasana. Araka ny fijoroan’ny olona vavolom-belona teny an-toerana moa dia efa nisy fotoana nisian’ny famadihana teo amin’io fasana io ka notovozona tamin’ny « seau » mihitsy ny tantely tao anatiny. Heverina, noho izany, fa nakana ilay tantely no namakiana ity fasana ity.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici