- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fatim-behivavy natao anaty gony, hita tao Sahatsiho

Antsirabe : Fatim-behivavy natao anaty gony, hita tao Sahatsiho

Fatim-behivavy efa simba, nafatratra tao anaty gony indray no nisy nahita teto Antsirabe. Noho ny fahasimban’ilay razana dia tsy nisy namantarana azy intsony io vehivavy io. Tranga efa miseho matetika eto Antsirabe ity famonoana vehivavy ity ary mazàna afatratra ao anaty gony hatrany ny razana. Mitotaly telo izany hatramin’izao ny vehivavy maty natao anaty gony teto Antsirabe. Ny roa voalohany izay notapatahana toy ny hena amidy ireny. Ity farany ity kosa dia natao anaty gony rehefa avy novonoina ary natsipy tao amin’ny renirano Sahatsio. Ny talata lasa teo no nahitan’ny olona azy rehefa nidina sy miha ritra ny renirano amin’izao vanim-potoan’ny ririnina izao, ka nipoitra ilay kitapo nisy ny razana. Nanaitra ireo fokonolona monina eny amoron’ny renirano ny nahita ilay kitapo hafahafa ka rehefa nozahana dia razana no tao anatiny. Nampandre ny mpitandro filaminana ny fokonolona ka tonga teny nizaha ny razana ny BMH niaraka tamin’ny polisy. Efa simba tanteraka ny razana ka tsy nisy namantarana azy intsony na mombamomba azy. Tombanana ho 30 taona eo ilay vehivavy ary mazava fa novonoina izy io, natao anaty kitapo ary natsipy tao anaty rano. Efa fotoana maromaro noho izany no nahafaty azy io raha ny fahasimban’ny razana no jerena. Tsy nandrenesana fitarainana na fampilazana olona very tao amin’ny fokontany Ambalavato nahitana ny razana hatramin’izao. Ka tsy hay na mponina eny izy io na tsia. Taoarian’ny fizahana nataon’ny tompon’andraikitra dia nalavein’ny fokonolona Ambalavato ny razana miandry izay fianakaviany na olona mety hahafantatra azy io.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici