Lehilahy iray no nisy nahita nivalampatra teo ampovoan’ny arabe tao Sahalombo, rehefa nojerana akaiky izy ity dia fantatra fa tsy nisy aina intsony.
Tsy nisy nahafantatra io lehilahy io ny teny an-toerana sy ny manodidina fa toa vahiny mandalo raha ny fahitan’ny olona azy. Nisy ihany ny taratasy tao am-paosiny, pasipaoro izay milaza fa hihazo an’i Morondava ity lehilahy ity saingy izao izy nindaosin’ny fahafatesana izao. Taoariana ny fizahana nataon’ny teo anivon’ny BMH dia fantatra fa nahitana faharatrana ny lohany sy ny vatany, tsy fantatra marina anefa izay nahazo azy na lozam-pifamoivoizana na inona fa izy efa maty io no hitan’ny olona, tamin’ny herinandro lasa teo nitrangan’ity loza.
Fa ankoatra izay dia rangahy iray manodidina ny 70 taona eo ho eo ihany koa no hita faty teto Antsirabe. Tsy nisy taratasy ahafahana mamantatra azy ity ka nandrasana tao amin’ny tranom-patin’ny CHRR nandritra ny telo andro. Tsy nisy naka anefa ny razana no tsy nahare fampandrenesana olona tsy hita ka voatery nalevin’ny BMH teny Ampasambahiny ny razana. Marihina fa eny ampasam-bahiny avokoa ny nandevenana ireo olona roa hita faty ireo.
Andry N.