Zaza kely tokony ho telo volana eo ity nisy nanary tao anaty dabam-pako ity. Omaly talata maraina no nahitana azy nifono tao anaty kitapo misy fako.
Tao Andranovisy no nahitana ity fatin-jaza menavava ity. Raha ny fanazavana nomen’ny dokotera nanao fizahana dia zaza efa notezaina izy ity ary tokony ho 37 herinandro eo.
Matetika efa samy manana ny dabam-pakony ireny olona sahirana mitady izay azo tsimponina sy alaina ao anaty dabam-pako ireny. Ramatoa iray niaraka tamin’ny zanany roa no nantsoin’ny rangahy iray antsoina hoe Ra-maitre, fianakaviana maro ao Ampatana no manakarama azy io hanary ny fakon’ny isan-tokatrano. Nambaran’ilay ramatoa fa fako niharo tamina potika saribao maro no nariany, nabosany tao anaty daba fa tsy nijery izy dia lasa avy eo. Vehivavy mpitsimpona fako no nahita zavatra hafahafa nifono harona plastika tao amin’ilay fako. Efa nitangoronan’ny lalitra sy ny alika ity zavatra, akory ny hatarain’ity ramatoa fa fatin-jaza no tao anatiny. Niantso ny namany mpanasa lamba tsy lavitra ny toerana izy naira-nijery izany. Fako avy tamina tokantrano iray ao Ampantana io, hoy Ra-maitre nanazava. Tsy mahafantatra na inona na inona aho, hoy izy, fa dia nanao ny asako nanary fako fotsiny. Ny nahagaga ahy, hoy hatrany izy nanazava, dia ny nilazan’ny naniraka ahy fa ariana miaraka amin’ny fako ilay kitapo izay misy sosony roa. Mpivady efa antitra anefa no ao amin’io tokantrano io miaraka amin’ny zanany lahy iray.
Tonga nanao ny fizahana teny an-toerana ny teo anivon’ny BMH sy ny polisy, tamin’izany no nahafantarana fa tokony ho telo andro eo no nahafaty izy zazakely ity. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Andry N.