Nahitana fatin-jaza lahy kely mbola mena vava, tao amin’ny farihin’Andranomafana, ny Alatsinainy 24 Aogositra lasa teo.
Ankizy nilalao teo amoron-drano no nahita ny razana ka nampandre ny olona teo amin’ny manodidina. Nitangorona ny olona nijery ny zavamisy, nofonosina tao anaty harona plasitika ity tsy manan-tsiny kely, tsy misy aina intsony, avy eo natsipy tao Andranomaimbo. Ity farihy ity izay rakotra tsikafona tanteraka efa am-bolana maro izao, tsy hita intsony moa izay maha farihy azy, ka zary lasa fanarian’ny olona fako ny morony. Ity toerana ity dia fiondranan’ny rano maloton’Antsirabe rahateo.
Tokony ho fito volana ilay zaza raha ny fahitan’ny nanatri-maso azy, efa hary avokoa mantsy ny maha olona azy rehetra, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy fantatra hatreto izay olona nahavanona ity loza ity, tonga teny an-toerana ny BMH sy ny polisy nanao fizahana ary nitondra ilay razana kely.
Andry N.