- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fatin-jaza kely vao teraka, nisy nanary teny amin’ny fanariam-pako

Antsirabe : Fatin-jaza kely vao teraka, nisy nanary teny amin’ny fanariam-pako

Tsy zaza nesorina  fa zaza nateraka mihitsy, raha ny fahitana ilay razana kely nifono tanaty “sachet” nisy nanary teny amin’ny fanariam-pako tao Antsirabe avaratra, omaly maraina. Efa ary avokoa mantsy ny maha olombelona azy ary tombanana ho teraka omaly maraina be ihany izy io. Niaraka tamin’ny tadim-poitra  sy ny ahitra ilay zazavavikely tsy manan-tsiny. Midika izany fa nateraka mihitsy izy io. Mpitsindroka fako no nahita azy omaly maraina. Nihoraka avy hatrany ilay ramatoa raha vao nahita fa fatin-jaza kely no tao anaty harona plastika noraisiny. Taitra ny manodidina raha nandre izany ary nirohotra nijery ny zava nisy. Tsy nisy nahateny fa samy niantso tody ilay reny nahavanon-doza toy izao izay nahita. Tonga teny an-toerana ny BMH sy ny mpitandro filaminana nanao fizahana ny razana, fantatra fa nalevina eny am-pasam-bahiny ilay zazakely taorian’izany. Efa misokatra kosa ny fanadihadiana hitadiavana ilay reny nahavita izao habibina izao.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici