- Publicité -
samedi, novembre 15, 2025
- Publicité -
AccueilÀ lireAntsirabe : Feno soratra « Samy Gasy isika » ny tranombarotra eto Antsirabe

Antsirabe : Feno soratra « Samy Gasy isika » ny tranombarotra eto Antsirabe

Miferinaina ireo tompona tranom-barotra eto Antsirabe (sary Andry N)

Azo hambara efa miverina amin’ny laoniny ny filaminana eto Antsirabe sy ny manodidina taorian’ireny zava nitranga tamin’ny 25 Septambra lasa teo ireny. Na izany aza dia mailo hatrany ny olona indrindra ireo mpivarotra sy magazay no resahana, tsy mbola nasahy nisokatra izy ireny tamin’ny week-end teo. Tsikaritra teny rehetra teny fa feno soratra « SAMY GASY ISIKA » ny fivarotana, eny fa na ireo tranombarotra karana izay lasibatra tamin’ny fandrobana aza dia nametraka io soratra io ihany koa.

Raha tsiahivina dia nisy andian’olona nanararaotra ny tolona nataon’ireo tanora sy mponin’Antsirabe leo « délestage » ka nitarika namaky tranombarotran’ireo karana teto Antsirabe. Efa an-taonany maro no tsy nahenoana izany OPK izany intsony teto Antsirabe saingy tamin’ity indray mitoraka ity tsy voafehy ny tanana.

 Raha ny zavatra hita nandritra ny korontana dia tsy ampy ny mpitandro filaminana sy ny baomba mandatsa dranomaso nanaparitahana ireo olona maro be ka voatery nihemotra ny mpitandro filaminana, nanararaotra ny mpandroba namaky ny tranombarotra, cosmos no nisantatra ny fandrombana volaohany, tsy nijanona io fandrobana io nitohy tamin’ireo tranombarotra karana rehetra toy ny teo Antsenakely (Electrotech) ,Avaratsena, Ambohimiandrisoa, Mahazoarivo izay tapitra voaroba avokoa nandritra ny alina na dia tao anatin’ny « couvre-feu » na tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina aza teto Antsirabe tamin’io fotoana io.

Ankoatra izay dia manameloka tanteraka ny fanapotehana ny fananam-bahoaka toy ny JIRAMA ny mponin’Antsirabe, ireo kely saina sy jiolahim-boto mpandroba no nahavanona ireny hoy ny maro fa tsy ireo mpanao fihetsiketsahana mihitsy.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici