- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversANTSIRABE :  Fiadiana ny tompon-daka N1A basket ball nibata ny amboara ny...

ANTSIRABE :  Fiadiana ny tompon-daka N1A basket ball nibata ny amboara ny faritra Analamanga

Tontosa antsakany sy andavany ny lalao fiadiana izay tompondakan’ny Madagasikara teo amin’ny lalao basket ball N1A natao teto Antsirabe; sivy andro no faharetany. Ny Alahady teo no notontosaina ny lalao famaranana na ho an’ny vehivavy izany ho an’ny lehilahy. Teo amin’ny vehivavy dia tafakatra tamin’ny lalao famaranana ny GNBC sy ny MB2ALL samy avy amin’ny faritra Analamanga avokoa. Nandavo ny GNBC tamin’ny isa 71 noho ny 38 ny MB2ALL. Ho an’ny lehilahy kosa dia voasokajy ho tompon-daka ny klioba COSPN Analamanga raha nifanandrina tamin’ny SBC Vakinankaratra. Azo hambara ho fahombiazana ny nandraisain’Antsirabe ny lalao nasionaly tahaka ireny hoy Ralalarison Mickael filohan’ny ligy basket eto Vakinankaratra satria mapisokatra sy manampy ireo klioba sy ny ankizy tia fanatanjahan-tena. Ankaotra izay ny fanomezan-danja ny lalao basket ball eto vakinankaratra, marihina mantsy fa nahatratra dimy ny klioba avy eto Antsirabe no nandray anjanara tamin’ity lalao ity raha toa 14  ireo klioba nandray anjara ka enina amin’izy ireo no lahy ny ambiny vehivavy.

Amin’ny ankapobeny dia azo hambara ho nizotra tamin’ny tokony ho izy ny lalao rehetra, saingy nisy ihany ny fihoaram-pefy nataona klioba hafa rehefa tsy nahantanty faharesana ka nikasa hikasi-tanana ny mpitsara ary nahavita nanenjika ity farany teny ambony kianja filalaovana izay saika niteraka savorovoro mihitsy. Fihetsika izay tsy tokony ho hatao satria manome endrika ratsy ny ekipa sy lalao nasionaly tahaka izao.

Andry N

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici