- Publicité SW45 -
mercredi, mars 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fiara avy nitondra mpiteraka, notifirin’ny FIP

Antsirabe : Fiara avy nitondra mpiteraka, notifirin’ny FIP

Fiara Sprinter iray avy nitondra olona hiteraka no voatifitry ny polisin’ny FIP  omaly alarobia hariva tokony ho tamin’ny valo ora alina tao Tsivatrinikamo.

Nirefotra  ny basy kalachnikov omaly alina tao Tsivatrinikamo, indroa ny fipoahana raha ny nambaran’ilay lehilahy niantefan’ny bala. Toy izao ny fitantaran’ilay lehilahy niharam-boina. Tokony ho tamin’ny 8 ora alina, nitondra ny anabaviny handeha  hiteraka izy, efa maika fa  aina no hovonjena ka nandrehitra ny jiro famantarana  « détresse » . Rehefa nandalo teo amin’ny sakana fisavana  fanaon’ny mpitandro filaminana  anefa ity fiara  dia tsy nijanona na dia nosakanana aza fa maika hamonjy ny hopitaly. Niverina ilay fiara Sprinter  avy eo ka nijanona teo amin’ilay polisy misy ny sakana. Nanazava ny antony tsy nijanonany  ilay mpamily. Samy niaka-peo ny roa tonta ka teo am-pamelomana ny fiara handeha  ilay mpamily  no avy hatrany dia namahana ny basy teny an-tanany ilay polisy  ka nitifitra ny kodiarana, nivily anefa ny bala. Rehefa tafatsoaka ilay fiara dia mbola nitifitra ihany ilay polisy ka teo am-baravarana aorian’ilay fiara  ny bala no niditra, namakivaky ny fiara ary niantefa tamin’ilay lehilahy teo anilan’ilay mpamily. Soa aloha fa tsy nahakasika ny vatany ny bala fa nandalo teo amin’ny tongony ka nandratra ny feny. Vokatry ny ratra nahazo azy dia mbola tazomina ao amin’ny hopitaly CHRR ity lehilahy ity tsaboina, tsy atahorana ny ainy. Nilaza kosa ny teo anivon’ny mpitandro filaminana fa mbola   ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka amin’izao fotoana. Tantara mitohy noho izany ity raharaha ity ka samy miandry izay ho tohony ny mpanara-baovao rehetra.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser