- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fiara nifaoka cyclo posy, telo mirahalahy naratra mafy

Antsirabe : Fiara nifaoka cyclo posy, telo mirahalahy naratra mafy

ACCIDENTNisehoana lozam-pifamoivoizana indray teto Antsirabe. Cyclo posy nijanona amoron-dalana no voafakana- fiara kely iray.

Omaly tokony ho tamin’ny efatra ora hariva no nisehoan’ny loza teo Avaratsena Sabotsy. Fiara kely « Mercedes » avy any Andranomafana no tafajanona tampoka « caler » rehefa tonga teo an-tampom-piakarana. Namerina namelona ny fiara ilay mpamily kinanjo  nirifitra tampoka ilay fiara ka tsy tana intsony ny familiana. Tany amin’ ireo mpitondra cyclo posy mijanona amoron-dalana no nifatratra ny fiara. Mpiray tampo telo lahy, samy mpitondra cyclo posy  avy, naka aina teo ambonin’ilay cyclo fitondrany, no voafaokan’ilay fiara. Vokany, samy naratra mafy avokoa izy telo lahy, ny iray nosokirina tao ambany fiara mihitsy vao afaka. Voalazan’ny nanatri-maso fa  saika teo amin’ny tongotra avokoa no tena voa mafy, Nentina haingana tany amin’ny Hopitaly ny roa lahy, izay tena voa mafy tokoa.

Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana. Raha ny fanazavan’ireo manodidina nanatri-maso ny loza nitranga moa dia efa mamomamo ilay mpamily.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici