- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversANTSIRABE :  Fifaninana tanana madio sy mivoatra, mbola ho lavitra ny ezaka

ANTSIRABE :  Fifaninana tanana madio sy mivoatra, mbola ho lavitra ny ezaka

Taorian’ny fanamby  napetraky ny fitondrana mahakasika ilay fifaninanana” tanana madio sy mivotra” amin’ireo nenivohim-paritra 23 eto amin’ny Nosy dia nampivory ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny eto an-toerana ny governoran’ny faritra niaraka tamin’ny solombavam-bahoakan’Antsirabe voalohany sy ny ben’ny tanana eto Antsirabe ambonivohitra ny zoma 16 May 2025 lasa teo.  

Tanjon’ity fihaonana ity ny hametrahana drafitra entina hanatsarana ny tanana mba hanatrarana ny tanjona dia Vakinankaratra ho lohalaharana. Natsangana tamin’io fihaonana io noho izany ny “comité Adhoc” hisahana sy hamolavola ny asa rehetra mahakasika io drafitr’asa io.

Tsy ho mora ny asa miandry ireto comité Adhoc ireto satria raha ny zava misy hita maso sy hiainan’ny mponina no resahina dia latsaka ankaterana I Vakinankaratra indrindra fa ny eto ambonivohitra. Teboka iray ilazana izany ny faharatsian’ny lalana mampitohy ireo kaominina manodidina. Ny tsy fandriam-pahalemana hiaian’ny olona etsy sy eroa.

Raha ny eto ambonivihitra no asiana resaka, ny fako misavovona, mikorontana ny tanana, mila tsy ho voafehin’ireo mpandamina fifamoivoizana ny fahamaroan’ny cyclo-posy miasa eto izay miteraka loza efa ho isan’andro mihitsy.

Asa aloha raha mandroso tokoa ny tanana hoy ny maro raha toa ka lalana tara (goudron) no navadika ho pavé ankehitriny, ampahany maro amin’ny lalana eto ampovoan-tanana mantsy no efa navadika pavé. Tsy ho mora ihany koa ny hanentanana ireo mponina efa zatra gaboraraka amin’ny fanariana fako etsy sy eroa, ny fanaovana maloto antsisin-dalana sy amin’ny poto, ireo fotodrafitrasam-pivoahana sy fidiovana maromaro natsangana efa an-taonany maro tsy misy miasa fa zary toy ireny vakoka ireny.

Ampahany amin’ireo zava misy eto izany, fa antenaina fa hitondra fivoarana eto amin’ny tanana ity fifaninana apetraky ny fitondrana ity.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici