
Olona sahirana ara-pivelomana maherin’ny 300 isa teo no nozaran’ny fikambambanana Be Miray sakafo vary sy laoka nandritra ny fetin’ny Krismasy. Nanolona ny tranoben’ny kolotsaina no nanatanterihina ny hetsika. Ny lafiny sosialy no tena hifantohan’ny FIKAMBANANA BE MIRAY eto Antsirabe. Tsy vao sambany no nanao hetsika tahaka izao ny fikambanana, indrindra rehefa andro fety tahaka izao fa mahatsiaro ireo olona tena sahirana sy tsy manan-kialofana. Nambaran’ny Atoa Andry Andrianjafy filohan’ny fikambanana fa tsy manana mpamatsy vola ny fikambanana fa vola avy any ampaosin’ireo mpikambana no atambatra ka hanaovana hetsika tahaka izao, tanjona amin’izany ny hanampy ireo olona sahirana ara pivelomana. Zaza amam-behivavy , tanora, be antitra no niara nifaly tamin’ny fikambanana Be Miray satria tsy vitan’ny fizarana sakafo ihany ny hetsika fa nisy ihany koa ny fampamalifaliana ireo tanora sy ankizy tamin’ny fizarana kilalao maro samihafa.
Andry N.