Hafa kely ity, tena misy ary mijoro ny fikambanan’ny mpisotro toaka eto Antsirabe. Nanamarika ny fifampiarahabana amin’ny taona vaovao ny fikambanana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Mazava ho azy fa tao amina toeram-pisotroana “bar” no nanaovana izany. Efa nisy an-taonany maro ity fikambanana ity ary manana ny fitsipika ifampifehezany, raha ny nambaran’ny Atoa Penilea Léon Samoela, fiohan’ny fikambanana, na dia tsy mbola nahazo fankatoavana tamin’ny fanjakana aza. Isan’ny tanjon’ny fikambanana ny hitaiza ireo mpisotro toaka mba tsy hanaonao foana, na hanao mamo tampona rehefa mirevy fa hanara-dalàna sy hahay hitodra tena. Manentana ny mpivarotra toaka koa izy ireo mba hanaraka ny didy aman-dalàna mifehy ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola, toy ny tsy famarotana eny akaikin’ny fiangonana sy ny sekoly. Manaitra ny sain’ny fanjakana ity fikambanana ity ny tokony hijerena akaiky ireo “bar” maniry ohatry ny anana eto Antsirabe, tsy manara dalàna, nambarany fa tokony hifanaraka amin’ny isan’ny olona ny fisian’ny “bar” fa tsy isaky ny 50 metatra die efa bar no hita etsy sy eroa.
Hijoro koa ireto fikambanan’ny mpisotro toaka ireto amin’ny tsy fankatovana ny fiarahanan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy izay mahazo vahana tokoa any ivelany, ka aleo dieny izao dia asehonay ny tsy fanekena izany sao tara loatra ka hanahirana aoriana kely. Marihina fa dia maro tokoa ireo mpikambana no tonga nanoina ny antso tamin’ny fifampiarahabana tratry ny taona vaovao ho an’ ny fikamban’ny mpisotro toaka ity eto Antsirabe.
Andry N.