- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fikasana hanolana zaza - Niaiky ny hadisoany ilay Frantsay

Antsirabe : Fikasana hanolana zaza – Niaiky ny hadisoany ilay Frantsay

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisy ilay teratany vahiny nikasa hanolana zazavavy kely mpianatry ny EPP Garbit dia fantatra fa niaiky ny heloka vitany ilay vazaha. Niaiky ny filan-dratsiny sy ny teti-dratsiny tamin’ireo zaza roa ity lehilahy antitra ity. Raha ny fanazavana dia omaly no natolotra ny fampanoavana ilay rangahy, saingy hatramin’izao ora anoratana izao dia tsy mbola nahenoana vaovao ny mikasika ny raharahara. Raha tsiahivina fohy, ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany no nikasa hanolana zazavavy kely roa  ilay rangahy teratany vahiny, Frantsay, 47 taona. Notambatazambazany vola ireo zaza ary  nosafosafoiny ary efa nampidiriny tany amin’ny fivavian’ilay zaza mihitsy ny tanany. Sady nihorakoraka ilay zaza no nitomany sy niantso vonjy. Taitra ny manodidina ary nikasa hamono ilay vazaha raha vao nahafantatra ny zava-nitranga. Nikasa handositra ilay vazaha niaraka tamin’ny mpamiliny saingy voasakan’ny fokonolona. Nampitombo ny fahatezeran’ny olona ny nahafantarana fa saika hanao raharaham-pihavanana ilay vazaha ary nanambitamby tamin’ny vola. Tezitra ny vahoaka ka nikasa haka ilay vazaha tao amin’ny biraon’ny kaomisaria hatao fitsaram-bahoaka ny harivan’ny talata teo. Voasakana anefa ireto farany. Andrasana noho izany izay mety ho valin’ny fampanoavana.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici