Hataraina ny an’ny mponina monina eny amin’ny fokontany Amboronomby ny Sabotsy maraina lasa teo vokatry ny fipohana mahery vaika toy ireny baomba mipoaka ireny. Tsy vitan’izay fa niparitak nanerana ny manodidina ny “beton” ka nahapotehana trano maromaro sy sekoly fianarana roa, soa fa tsy nisy mpianatra tao amin’ity sekoly ity fa raha tsy izay dia maro no naratra na maty mihitsy. Nambaran’ny fokonolona fa nanididina mihitsy ny “beton” ary nandoaka ny tafotrano maromero, hatramin’ny 400 metatra manodidina dia voakasika ity fipohana mahery vaika ity. Trano am-polony noho izany no nahitanfa fahasimbana nitotonan’ireo “beton” maro maro ireo.
Araky ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia fantatra fa tao amina garazy iray no nipoiran’ity fipoahana mafy ity. Vokatry ny fikarohana nataon’ireo olona nalaina tahaka tamin’ny internet no na nahatonga ny loza. Araky ny fanazavana dia efa tapa-taona izao no nampiasan’ireto olona ireto ny fikarohana nataony amin’ny alalan’ny famokarana herinan’aratra antsoina hoe “éléctricité libre”. Nandeha tsara izy io nandritra izay, tsy nisy ny olana saingy tsy nihonona tamin’ny tanjak’ilay herinaratra izy ireo fa nampitombo izany ka teo no nipotra ny olana gaoavana. Vitaovana iray antsoina hoe Volant d’inertie , manana savaiva efa ho 2 metatra any ho any, izay notsindrina “beton” maromaro mba tsy hitroatra noho ny fihodinany mafy sy ny tanjany no nipoaka ka nitaraka io loza io. Tsy nahatazona ny fipoahan’ilay milina ireo “beton” milanja kilao maromaro ireo izay nanidina ambony mihitsy ary niparitaka eraky ny manididina. Ankoatra ny fahasimban’ny trano dia olona telo no fantatra fa naratra vokatry ny fipoahana.
Andry N.