- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilÀ lireAntsirabe – Fizamia : 34 taona nijoroana teto Antsirabe

Antsirabe – Fizamia : 34 taona nijoroana teto Antsirabe

Fikambanan’ny zanak’I Miraindraiky Antsirabe na FIZAMIA dia fikambanana iray mampivondrona ireo avy amin’ny faritra Atsimo-Antsinanana monina sy miasa eto Antsirabe. Azo ambara ho isan’ireo fikambanana tranainy indrindra izy ity satria efa tamin’ny taona 1989 no niforonany voalohany ary mbola voatazon’ireo taranaka aty aoriana ny fampandehanana azy tao anatin’izay 34 taona nisiany izay. Tsy miditra amin’ny resaka politika ny fikambanana fa natao hifampitsinjovan’ ireo mpikambana mivelona sy miaina  eto na ankasoavana izany na ankaratsiana, izany rahateo ny antopisiany hoy Atoa Mamelomana Richard filohany.  Ankoatra izany dia mandray anjara amin’ny fanentanana ireo tanora hiala amin’ny fidonanam-poana sy fandraisana zava-mahadomelina ny fikambanana ary isan-taona tsy diso anjara  amin’ny fambolen-kazo iay ireo.

Mahatratra 51 fianakaviana ny mpikambana amin’izao  ary entanina ireo izay te-hanatevin-daharana ny fikambanana hiditra ho mpikambana satria tsy mialon-jafy ny fikambanana. Isaky ny telo taona no atao ny fifidianana izay ho filoha ary indray isam-bolana kosa dia misy ny fivorian’ny raim-pianakaviana rehetra mpikambana hanaovana ny tatitra sy hifampizarana vaovao. Notontosaina ny faran’ny heriandro teo moa ny fifampiarahabana nataon’ny FIZAMIA teto Antsirabe.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici