- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Folo lahy nirongo fiadiana nanafika, lasa ny 20 tapitrisa

Antsirabe : Folo lahy nirongo fiadiana nanafika, lasa ny 20 tapitrisa

Nitrangana fanafihan-jiolahy indray tao Ambavahadimangatsiaka Antsirabe, ny  alahady 2 janoary teo tokony ho tamin’ny 12 ora alina. Voalaza fa bandy eo amin’ny folo lahy eo ho eo no nanao ny fanafiahana, tsy misaron-tava ry zalahy ary mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy sy antsy lava. Fianakaviana iray no lasibatra tamin’izany ka vola mitentina hatramin’ny 20 tapitrisa ariary niampy firavaka sy volamena no lasan’ireo jiolahy. Noho ny fahamaroa’ny mpanafika dia nisy ny tampim-baravarana  ka tsy afaka niantso vonjy ara-potoana ny voatafika. Ny manodidina no niantso ny mpitandro filaminana rehefa nahare ny tranga  saingy efa dila lavitra ireo olon-dratsy. Na dia mitohy hatrany aza ny ezaka sy fisafoana ataon’ny
Emmo-Reg, na antoandro na alina, eto Antsirabe dia miseho lany hatrany ny
tsy fandriam-pahelemana sy ny fanafiahana mitam-piadiana. Tsy kely lalana ny ratsy, hoy ny tompon’andraikitra, ka tokony ho mailo hatrany ny rehetra.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser