Miisa 12 ireo olona manefa sazy eny am-ponja no miatrika ny fanadidina hakana ny diplaoma bakalorea ao amin’ny ivon-toerana CEG Manara-penitra Mahazoarivo eto Antsirabe. Iray amin’izy ireo no efa nahavita ny saziny saingy mbola kandida an’ny fonja satria tao no nanaovana ny fisoratana anarana nandritra ny fotoana namitany sazy . Saika tanora vao herotrerony avokoa izy ireo, manodidina ny 20 taona mahery ny ankabetsahany, raha 36 taona ny iray zokiny indrindra. Enina amin’ireto voafonja ireto no efa voatsara, ny ambiny kosa miandry ny fitsarana azy, iray no fantatra fa efa nahavita 2 taona tao am-ponja nefa mbola tsy voatsara hatramin’izao. Fianarana ny fianinana hoy ity farany ary aleo mianatra toy izay manjehy ny andro ho lava ao am-ponja ao, ary hialana amin’ny fieritreretena lalina sy famoizam-po hoy izy. Resaka fanolanana sy fanodikodinana zaza tsy ampy taona no maha voasazy ny ankamaroan’ireto tanora voafonja maka baka ireto, misy koa anefa no vasazy amin’ny resaka vono olona ka manefa sazy hatramin’ny 20 taona mahery. Sokajy A2 no misy azy rehetra, mitokana efitrano, ary hentitra ny fiandrasana azy, na izany aza dia misy ny fanajana ny zony mba tsy hisy fiantrainy amin’ny fanadinany sy hanimba ny moraliny ny fihetsika aseho amin’izy ireny hoy ny fanazavana. Tsy mody antoandro ireo voafonja fa ny masera no manatitra sakafo azy ireo. Olana ho an’ireto kandida an’ny gadra ireto ny tsy fanana ilay “fiche individuelle” saingy voasoratra anatin’ny lisitra ihany anefa izy ireo.
Nandritra ny taom-pianarana dia mianatra toy ny mpianatra rehetra ireto voafonja ireto saingy ao am-ponja ihany, misy ny kilasy rehetra ao manomboka hatrany amin’ny garabola, ary mianatra isan’andro. Ny masera avy ao amin’ny Soeur Agnès petite Soeur de l’evangile ao Mahazina no manampy azy ireo amin’ny fikarakarana sy fanaovana hetsika ary manome sakafo sy manakarama mpampianatra. Ankoatra izay dia misy ihany koa ireo gadra manam-pahaizana sy fahalalana na injeniora mampianatra ireo gadra miaraka aminy.
Andry N.
Misaotra an’ireo masera sy ilay prof ingénieure sy ireo gadra manampahaizana manampy. Fa mampalahelo ilay olona migadra anefa tsy mbola tsy voatsara akory, ilay présomption d’innocence izany tsy misy, tena injustice be. Ilay fanefana ny peine aman-taona, mihoatra noho ny Délit natao. Tena vaky ny fo.