Resaka fandrahonana ho faty tao amin’ny toeram-pivarotana zava-pisotro misy alikaola iray no niatombohan’ity tranga ity tao Andranomandevy, Antsirabe. Telo lahy, izay fantatra fa isan’ireo dahalo hikoizana any amin’izany faritra izany, ary ny iray aza moa dia efa gadra nitsoaka tao amin’ny fonjan’Antsirabe mihitsy no tompon’antoka teto. Voatery niditra an-tsehatra moa ireo pôlisy avy ao amin’ny UIR, ao amin’ny fitalevam-paritry ny pôlisim-pirenena ao Vakinankaratra. Niafara tamin’ny fifampitifirana izany. Mazàna tokoa dia tsy hilaozana fifamaliana ireny toeram-pisotroana ireny. Vao miakatrakatra mantsy ny alikaola dia mora misendaotra ho azy ireo olona. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy vitan’ny fifamaliana vava intsony no nisy fa tonga hatramin’ny fandrahonana ho faty olona mihitsy tao amin’io toerana io. Natahotra ny fihitaran’ny raharaha ity olona voarahona ity ary niantso avy hatrany ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe tao Antsirabe. « Tonga avy hatrany teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery ny zava-nisy ka nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity. Rehefa izy teo an-tanan’ny polisy dia mbola nikasa ny nandositra ka nanao tifi-danitra ny Polisy ho fampitandremana azy nefa tsy nijanona ity olon-drasty ity. Voatery nitifitra ireo polisy ka voatifitra teo amin’ny tratrany ity lehilahy ity ». Maty tsy tra-drano ny anao lahy. Fantatra teo fa nisy namany ity lehilahy ity ary nosamborina tsy lavitra teo ihany koa. Mbola nisy iray hafa moa, saingy tafaporitsaka ingahirainy. Tamin’ny fitsirihana ny razana no nahafantarana fa isan’ireo olon-dratsy karohina fatratra tany an-toerana ilay olona voatifitra. Ambonin’ny maha-jiolahy azy tokoa mantsy dia fantatra fa gadra nitsoaka ny fonjan’Antsirabe, ny volana novambra lasa teo ihany koa ranamana. Nentina nihazo ny kaomisaria ho amin’ny famotorana moa ny iray, naman’ity jiolahy maty ity. Marihana, hoy ny vaovao, fa mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha any an-toerana. Eo an-dalam-pikarohana ilay tafatsoaka kosa ireo mpitandro filaminana.
m.L