Ela ny ela fa hisitraka fiara mpamonjy voina amin’izay ny tanan’Antsirabe renivohitra. Efa an-dalam-pandaminana izany ny ben’ny tanàna Rasaminana Honoré Gabriel na ny Dr Unoh amin’izao fotoana. Fiaraha- miasa amin’ny Frantsay ao Lyon no nahazoana ity fiara mpamonjy voina ity. Ankaotra izay dia hiampy ambulance iray ihany koa izany miampy kaontenera iray misy ny fitavaona rehetra miasa amin’ireo fiara telo ireo. Hiara hiasa amin’ny tafika ny fiadidina ny tanan’ Antsirabe mahakasika ity fiara mpamonjy voina ity ary efa andalam-panamboarana ny “caserne pompier” ny fiadidina ny tanàna ka ho tratra ara-potoana amin’ny fahatongavan’ny fiara izany toerana natokana ho hiofanana sy hitantanana ny fiara mpamonjy voina izany araky ny fanazavan’ny ben’ny tanàna hatrany. Marihina fa ny ben’ny tanàna no angady nanana sy vy nahitana ireo fiara mpamonjy voina ireo tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany indrindra ihany koa ny tosika homen’ny fitondram-panjakana satria izay manao sy miasa no ampiana hoy ny filohan’ny repoblika araky ny fanazavan’ny ben’ny tanàna. Tsy diso anjara amin’ny fotodrafitrasa rahateo ny tanan’Antsirabe satria fantatra izao fa hisitraka bloc sanitaire 5 avy amin’ny fitondram-pajakana ihany koa ny tanan’Antsirabe izay hatomboka tsy ho ela.
Roa taona sy telo volana izao no nitantanan’ity ben’ny tanana an’Antsirabe ity. Nambarany fa miroso ny asa, nihato ny fitokonana lavareny fanaon’ny mpiasa ary tsy nahitana olona intsony ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa eny fa nandray 13ème mois ny mpiasa rehetra. Voavaha ihany koa ny olan’ireo mpiasa misotro ronono satria tafakatra 8 taona ny fisotroan-dronono nezahina novahana. Ankoatra izay dia efa miverina miasa avokoa ireo fiara vaventy mpanamboatra lalana ka hatomboka rahampitso Alarobia ny hetsika fanamboaran-dalana ‘traitement du point noir” na fanetsenena ireo lalana feno lavadavaka.
Andry N.