
Sambany ho an’ny tanan’Antsirabe no handray lalao iraisam-pirenana goavana tahaka izao. Antsirabe no hampihatrano ny lalao hiadina izay ho tompondakan’I Afrika amin’ny lalao basket ball zazavavy latsaky ny 18 taona na U 18. Araky ny fanazavana nandritra ny fotoana nampahafantara tamin’ny fomba ofisialy fa Antsirabe no hampihatrano ity lalao dia nambara fa efa nandalo sivana maro sy fankatoavana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenenan’ny basket ball vao tonga amin’izao dingana izao. Tsara ny manamarika fa mampihatrano ihany isika fa ny federasiona no mikarakara ny pitsopitsony rehetra.
Ny faha 4 ka hatramin’ny 14 Aogositra no hanatanterahina ity lalao goavana ity, ao amin’ny kianja mitafo Vatofotsy. Izay ekipa roa tafiakatra amin’ny lalao famaranana dia hisolo tena an’I Afrika amin’ny fiadiana ny tompon-daka maneran-tany U19 izay hatao amin’ny taona ho avy. Firenena Afrikana valo no handray anjara amin’ity lalao Afro basket women’s ity. Efa vonona ny fotodrafitrasa handraisana izany. Marihina fa manana solotena mpitsara roa isika Malagasy mandrintra ny lalao, mpitsara iraisam-pirenena avokoa izy ireo izay notendren’ny FIBA.
Efa nigadona teto Antsirabe tamin’ny Alahady teo ny ekipam-pirenena Malagasy. Miisa 15 no anaty lisitra saingy 12 amin’izy ireo no tena hilalao, iray andro mialohan’ny lalao anefa vao tena avoaka ny lisitr’izy ireo. Marihina fa mpilalao efatra mirahavavy amin’ireo mpilalao dia zanaky ny faritra vakinankaratra avokoa, iray kosa no mpilalao mila ravinahitra hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena Malagasy dia i Marion Fitia, izy no mpitondra baolina.
Andry N.