- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Hanangana laboratora ny IES AV

Antsirabe : Hanangana laboratora ny IES AV

Ny taona 2013 no nisokatra voalohany ny IES AV na « Institut d’Enseignement Supérieur Antsirabe Vakinankaratra « rantsana iray ao amin’ny oniversite Antananarivo. Université polytechnique annex Vontovorona no niantsoana azy taloha, tao amin’ny biraon’ny faritra Vakinankaratra no nisy azy tamin’izany fotoana noho ny tsy fisian’ny efitrano fianarana.

Ny taona 2016 no nivadika ho IES AV saingy tsy mbola manana efitrano fianarana ihany fa miandry ny hahavita ny oniversité izay hatsangana eo amin’ny piste Vatofotsy. Fiaraha miasa amina olo-tsotra, manofa toeram-pianarana no ahafahan’ireo mpianatra ho injeniora manohy ny fianarany.

Hanamarika ny herinandron’ny fifandraisan-davitra sy ny faha 10 taona nihorenany ny IES AV manomboka ny faha 15 May ka tsy hifarana raha tsy ny faha 19 May 2023.  Dia-be manerana ny tanana no hanombohana ny hetsika arahina fifanitsanana lalao baolina kitra sy basket ball, mpampianatra hifandona amin’ny mpianatra. Ankoatra izay hisy ny famelabelaran-kevitra hataon’ireo fikambanana telecommunication sy ireo mpianatra efa nivoaka  hizara traikefa ho an’ireo zandry. Ny Alarobia 17 May andron’ny fifandraisan-davitra hanao fampiratiana  manoloana  ny Kathédrale ny IES AV hampahafantarana ny atao hoe fafandraisan-davitra sy ny andraikiny eo amin’ny fiaraha monina sy ny firenena sy ny hoe hitondra inona ho an’ny vahoaka ny fisiany.

Cabaret iarahana amin’ny Samoela kosa no hamaranana ny hetsika ny faha 19 May ao amin’ny Hotel Diamant manomboka amin’ny 9 ora alina. Ny fikamban’ny mpianatra telecom AITM sy ny fikamban’ny mpianatra télécommuciation Antsirabe  no tompomarika amin’ity hetsika ity ka ny vola voahangona amin’izany dia entina hanampiana hananganana laboratoara ho tsangambaton’ny faha 10 taonan’ny IES AV hoy Profesora Randrianandrasana Marie Emile tomponandraikitra ny sampana télécommunication ao amin’ny IES AV.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici