- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Hapetraka isam-paritra ny komity famokara-tantanam-pianakaviana

Antsirabe : Hapetraka isam-paritra ny komity famokara-tantanam-pianakaviana

Ity taona 2019 ity no nanombohan’ny taona folo ho an’ny famokara-tantanam-pinakaviana na “agriculture familiale” izay nankatoavin’ny firenena mikambana. Mba hahafahana mampiroborobo ny famokara-tantanam-pianakaviana sy ho fiarovana azy dia apetraka ny komity isam-paritra. Rehefa mivondrona anaty komity ireo mpisehatra rehetra dia mora kokoa ny fifanakalozana , hoy ny talen’ny FIFATA sady mpandrindra nasionalin’ ny komity famokara-tantanam-pianakaviana eto Madagasikara Atoa Ranoasy Andriamparany. Nandritra ny atrikasa teto Antsiraba nanomboka ny alarobia 8 may lasa  teo no nananganana ny komity raha toa ka efa vita ny tao amin’ny faritra Amoron’ Imania sy Bongolava. Fantatra fa manerana ny nosy dia hananganana ity komity ity avokoa.

Isan’ny andraikitr’ireo komity hatsangana ireo ny hametraka politika eo amin’ny faritra misy azy ho fiarovana ny famokara-tantanam-pianakaviana, satria hita fa saika mirona amin’ny famokarana vaventy ny firenena amin’izao. Tsy azo hadinoina  fa ny famokara-tantanam-pianakaviana dia mitana ny 70% amin’ny sakafo, sy mamokatra ny 26% amin’ny harin-karena faobe ary miantoka ny 74%-n’ny asa eto Madagasikara. Tsy azo atao ambanin-javatra noho izany ity famokara-tantana-pianakaviana ity, satria mitana toerana lehibe eo amin’ny toekarena malagasy, fa tsy hoe misy ny famokarana vaventy dia hirona any ny olona, nefa  karazam-boly tokana ihany no atao. Mila arovana noho izany ny famokara-tantanam-pianakaviana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici