- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversANTSIRABE : I-VOTIKA / Namoaka ny andiany voalohany tamin’ny fampihofanana

ANTSIRABE : I-VOTIKA / Namoaka ny andiany voalohany tamin’ny fampihofanana

Tanora vao herotrerony avokoa izy folo mianadahy nahavita fiofanana tao amin’ny laboratoaran’ny I-votika na “Ivontoerana Teknolojika Informatika Koltoraly Asa karoka. Iray volana monja ny fampiofanana azy ireo nefa dia nampitolagaga ny maro ny fampiratiana nataon’ireo mpianatra ny zava bitany nialohan’ny nanolorana azy ireo ny mari-pankasitrahana na certificat manamarina ny nahavitany ny fihofanana tao ami’ny I-votika. Isan’ny nanaitra ny maro ny fanamboarana “robot mobile élévateur sy bras robotique par direction laser » fitaovana azo ampiasana any amin’ny orinasa avokoa ireo hanamorana ny asa satria efa voapetrapetraka sy marina ny asa ataony, fihetsika izay miverimberina. Marihina fa mpianatra avy amin’ny IE SAV izy folo mianadahy nahavita fiofanana ireto ary efa saika mamarana ny fianarana avokoa izy ireo izao nanaraka fiofanana izao. Ny ONG Bira sy ny orange solidarité de Madagascar no nanome maimaim-poana ny fitaovana avo lenta ka ny ivontoerana I-Votika no miandraikitra azy.  Ho fanampiana ireo mpianatra nahavita ny fihofanana dia vina napetraky ny ivontoerana ny hampifandray ireo mpianatra amina orinasa mba hanamorany fitadiavana asa ho fampiharana ny tetikasany na hiasa tena izy ireo.

Tombony ho an’ireo mpianatra mandrato fahalalana ao amin’ny I-Votika ny fampiasana ireo teknolojia avo lenta, ary ezahina ho maro ireo mpianatra na zaza hisitraka ny fampihofanana satria tsy afaka misaraka amin’ny fiainan’ny olombelona ny fivoarana ara teknolojia.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici