- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe II : Ben’ny tanànan’Ambohitsimanovo notafihana 8 lahy

Antsirabe II : Ben’ny tanànan’Ambohitsimanovo notafihana 8 lahy

Ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo no notafihana bandy 8 lahy ny trano fonenan’ny ben’ny tanàn Ambohitsimanovo Antsirabe II. Nihanika ny tamboho ireo jiolahy, voalaza fa avo dia avo tokoa ny fefy ka nitondra tohatra mihitsy ireo  olon-dratsy tamin’izay . Nohidiny tao amina efitra iray ivelan’ny trano ny mpiasa efatra tao amin’ity ben’ny tanàna ity. Tsy nisy afaka nivoaka intsony moa izy ireo fa voahidy avy ety ivelany  ilay trano. Rehefa izany, nanao amboletra tao amin’ny trano fatoriana ireo jiolahy valo lahy ka avy hatrany dia nitaky vola. Fantatr’ireo jiolahy mantsy fa mikasa hividy fiara hono  ity ben’ny tanàna ity. Nilaza anefa ity farany fa tsy mitahiry vola ao an-trano. Sosotra ireo jiolahy rehefa tsy nahazo vola ka nodarohany ilay ben’ny tanàna  ary naratra mafy tokoa. Ny akoho amam-borona no najifan’ireo jiolahy avy eo. Voatery niditra hopitaly mihitsy moa ilay ben’ny tanàna ary mbola manaraka fitsaboana eto Antsirabe ankehitriny.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser